Matthew 17:26 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy i Petera taminy: Avy amin’ny olon-kafa, dia hoy kosa Jesosy: Raha izany dia afaka ny zanaka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Kanefa sao manafintohina azy isika, ka mandehana manjono any amin’ny ranomasina ianao, dia raiso ny hazandrano azonao voalohany, ka sokafy ny vavany, fa hahita vola dragma efatra ao ianao, ka alao, dia aloavy ho Ahy sy ho anao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia novalian’i Petera hoe: –Ny olon-kafa! Ary hoy i Jesoa taminy: –Raha izany àry, dia afaka ny ankohonany.
Malagasy Bible 1865
Nefa andrao isika manafintohina azy, dia mankanesa ao amin'ny ranomasina ianao, ka manjonoa; ary raiso izay hazandrano azo voalohany, ka rehefa sokafanao ny vavany, dia hahita vola sekely eo ianao; dia raiso izany, ka omeo azy ho avy amiko sy ianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy i Petera taminy: Avy amin’ny olon-kafa, dia hoy kosa Jesosy: Raha izany dia afaka ny zanaka.
malagasy
Ary nony hoy Petera taminy: Avy amin'ny olon-kafa, dia hoy kosa Jesosy: Dia afaka ary ny zanaka.Nefa andrao isika manafintohina azy, dia mankanesa ao amin'ny ranomasina ianao, ka manjonoa; ary raiso izay hazandrano azo voalohany, ka rehefa sokafanao ny vavany, dia hahita vola sekely eo ianao; dia raiso izany, ka omeo azy ho avy amiko sy ianao.