Matthew 17:27 — Compare Translations
4 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Kanefa mba tsy hahatonga antsika hanafintohina azy ireo dia mandehana any amin’ny ranomasina ianao ka manjonoa; ary raiso izay hazandrano azo voalohany, koa rehefa sokafanao ny vavany dia hahita vola statera ao ianao; dia raiso izany ka omeo azy ireo ho avy Amiko sy avy aminao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanefa aoka isika tsy hanao izay hampisafoaka ireo olona ireo! Noho izany, ndeha ianao manjono eny am-parihy, dia raiso izay trondro voalohany azonao; ary sokafy ny vavany fa hahitanao vola mitetina denàry efatra. Ento izany ka omeo ireo olona ireo hanefana ny hetrako sy ny anao!
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Kanefa mba tsy hahatonga antsika hanafintohina azy ireo dia mandehana any amin’ny ranomasina ianao ka manjonoa; ary raiso izay hazandrano azo voalohany, koa rehefa sokafanao ny vavany dia hahita vola statera* ao ianao; dia raiso izany ka omeo azy ireo ho avy Amiko sy avy aminao.
malagasy
Nefa andrao isika manafintohina azy, dia mankanesa ao amin'ny ranomasina ianao, ka manjonoa; ary raiso izay hazandrano azo voalohany, ka rehefa sokafanao ny vavany, dia hahita vola sekely eo ianao; dia raiso izany, ka omeo azy ho avy amiko sy ianao.