Matthew 17:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha mbola niteny izy dia indro, nisy rahona mazava nanarona azy ireo; ary injao, nisy feo avy tao amin’ny rahona niteny hoe: Ity no Zanako malalako izay sitrako; Izy no henoy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa raha mbola niteny Izy, dia indro nisy rahona mazava nanarona azy ireo. Ary injao nisy feo avy tamin’io rahona io nanao hoe: «Ity no Zanako malalako, izay sitrako indrindra: henoy Izy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha mbola niteny i Petera, dia nisy rahona mazava nanarona azy rehetra; ary injao nisy feo avy tao amin’io rahona io nanao hoe: –Ity no Zanako, ilay Malalako; Izy no sitrako! Henoy Izy!
Malagasy Bible 1865
Raha mbola niteny izy, indro, nisy rahona mazava nanarona azy ireo; ary, injao, nisy feo avy tao amin'ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako; Izy no henoy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha mbola niteny izy dia indro, nisy rahona mazava nanarona azy ireo; ary injao, nisy feo avy tao amin’ny rahona niteny hoe: Ity no Zanako malalako izay sitrako; Izy no henoy.
malagasy
Raha mbola niteny izy, indro, nisy rahona mazava nanarona azy ireo; ary, injao, nisy feo avy tao amin'ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako; Izy no henoy.