Matthew 17:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa nidina avy teny an-tendrombohitra izy ireo dia nandrara azy ireo Jesosy hoe: Aza milazalaza amin’olona iny fahitana iny, mandra-pitsangan’ny Zanak’Olona amin’ny maty.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary rehefa nidina avy tany an-tendrombohitra izy, dia hoy i Jesoa nandrara azy ireo: «Aza milaza na amin’iza na amin’iza izay vao hitanareo, ambara-pitsangan’ny Zanak’olona amin’ny maty.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izy efa-mianaka nidina avy tany an-tendrombohitra, dia izao no baiko nomen’i Jesoa azy telo lahy: –Aza lazaina na amin’iza na amin’iza iny fahitana iny, mandra-pitsangan’ny Zanak’olona ho velona avy any amin’ny maty.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa nidina avy tao an-tendrombohitra izy, dia nandrara azy Jesosy ka nanao hoe: Aza milaza amin'olona ny fahitana, mandra-pitsangan'ny Zanak'olona amin'ny maty.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa nidina avy teny an-tendrombohitra izy ireo dia nandrara azy ireo Jesosy hoe: Aza milazalaza amin’olona iny fahitana iny, mandra-pitsangan’ny Zanak’Olona* amin’ny maty.
malagasy
Ary rehefa nidina avy tao an-tendrombohitra izy, dia nandrara azy Jesosy ka nanao hoe: Aza milaza amin'olona ny fahitana, mandra-pitsangan'ny Zanak'olona amin'ny maty.