Matthew 18:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary raha tsy mety mihaino an’ireo izy dia ambarao amin’ny fiangonana; ary raha tsy mety mihaino ny fiangonana koa izy dia aoka hataonao ho tahaka ny Jentilisa sy ny mpamory hetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha tsy mihaino azy ireo izy, dia ambarao amin’ny Eglizy; ary raha tsy mihaino ny Eglizy koa, dia ataovinao tahaka ny Jentily sy ny poblikanina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa raha tsy mihaino azy ireo izy, dia ambarao amin’ny iray Fiangonana; ary raha tsy mihaino ny iray Fiangonana koa izy, dia ataovy toy ny hafa firenena sy toy ny mpamory hetra.
Malagasy Bible 1865
Ary raha tsy mety mihaino ireo izy, dia ambarao amin'ny fiangonana; ary raha tsy mety mihaino ny fiangonana koa izy, dia aoka hataonao ho tahaka ny jentilisa sy ny mpamory hetra izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary raha tsy mety mihaino an’ireo izy dia ambarao amin’ny fiangonana; ary raha tsy mety mihaino ny fiangonana koa izy dia aoka hataonao ho tahaka ny Jentilisa* sy ny mpamory hetra.
malagasy
Ary raha tsy mety mihaino ireo izy, dia ambarao amin'ny fiangonana; ary raha tsy mety mihaino ny fiangonana koa izy, dia aoka hataonao ho tahaka ny jentilisa sy ny mpamory hetra izy. [ Gr. eklesia] [ Gr. eklesia]