Matthew 18:28 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nefa nony niala teo ilay mpanompo dia nahita mpanompo namany iray, izay nitrosa denaria zato taminy; dia nosamboriny Ilehio ka nokendainy sady nataony hoe: Aloavy izay trosako any aminao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa raha vao nivoaka ilay mpanompo, dia tojo ity mpanompo namany anankiray izay ananany denie zato; noraisiny tamin’ny tendany ilay io ka nokendainy nataony hoe: ‹Aloavy ny trosako any aminao.›
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Vao tafavoaka anefa ilay mpanompo, dia tojo ity mpanompo namany izay nananany trosa denàry zato. Noraisin’ilay mpampitrosa teo am-bozona izy, ka nokendainy sady nataony hoe: «Aloavy izay trosako aminao.»
Malagasy Bible 1865
Nefa nony nivoaka izany mpanompo izany, dia nahita mpanompo namany anankiray, izay nitrosa denaria zato taminy; dia nosamboriny izy ka notraohiny sady nataony hoe: Aloavy izay trosako aminao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nefa nony niala teo ilay mpanompo dia nahita mpanompo namany iray, izay nitrosa denaria* zato taminy; dia nosamboriny Ilehio ka nokendainy sady nataony hoe: Aloavy izay trosako any aminao.
malagasy
Nefa nony nivoaka izany mpanompo izany, dia nahita mpanompo namany anankiray, izay nitrosa denaria zato taminy; dia nosamboriny izy ka notraohiny sady nataony hoe: Aloavy izay trosako aminao.[Anaram-bola tokony ho venty no heviny]