Matthew 18:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa na zovy na zovy no hanafintohina na dia iray aza amin’ireny madinika mino Ahy ireny dia tsara lavitra ho azy raha anantonana vato lehibe fikosoham-bary ny vozony ka alentika any amin’ny ranomasina lalina izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa izay hanafintohina anankiray amin’ireny madinika mino Ahy ireny kosa, dia tsaratsara kokoa ho azy ny hanantonana vato fikosohan-dafarina amin’ny vozony, ka halentika any anatin’ny ranomasina izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
–Na iza na iza mitarika ny anankiray amin’itony madinika mino Ahy itony hanao ratsy, dia aleo izy anantonana vatobe fikoseham-bary eo amin’ny vozony, ka halentika any anaty ranomasina mangitsokitsoka.
Malagasy Bible 1865
Fa na zovy na zovy no hanafintohina na dia iray aza amin'ireny madinika mino Ahy ireny, dia tsara lavitra ho azy raha anantonana vato lehibe fikosoham-bary ny vozony, ka alentika any amin'ny ranomasina lalina izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa na zovy na zovy no hanafintohina na dia iray aza amin’ireny madinika mino Ahy ireny dia tsara lavitra ho azy raha anantonana vato lehibe fikosoham-bary ny vozony ka alentika any amin’ny ranomasina lalina izy.
malagasy
Fa na zovy na zovy no hanafintohina na dia iray aza amin'ireny madinika mino Ahy ireny, dia tsara lavitra ho azy raha anantonana vato lehibe fikosoham-bary ny vozony, ka alentika any amin'ny ranomasina lalina izy.[Na: ahodim-boriky]