Matthew 18:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa raha ny tananao na ny tongotrao no manafintohina anao, tapaho izy ka ario hiala aminao; fa tsara ho anao ny hiditra kilemaina na mandringa any amin’ny fiainana noho ny manana tanana roa sy tongotra roa, nefa hariana any amin’ny afo maharitra mandrakizay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa raha ny tananao na ny tongotrao no manafintohina anao, tapaho izy ka ario lavitra anao, fa aleo tapa-tanana na tapa-tongotra an’ila miditra any amin’ny fiainana ianao, toy izay manana tanana roa na tongotra roa, very any amin’ny afo mandrakizay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha mitarika anao amin’ny ratsy ny tananao ila na ny tongotrao ila, dia tapaho ka ario lavitra anao; fa aleo ianao tokan-tanana na tokan-tongotra nefa tafiditra any amin’ny fiainana toy izay ary tanan-droa na tongotra roa nefa atsipy any amin’ny afo maharitra mandrakizay.
Malagasy Bible 1865
Koa raha ny tananao na ny tongotrao no manafintohina anao, tapaho izy ka ario ho afaka aminao; fa tsara ho anao ny hiditra kilemaina na mandringa any amin'ny fiainana noho ny manana tanana roa sy tongotra roa, nefa hariana any amin'ny afo maharitra mandrakizay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa raha ny tananao na ny tongotrao no manafintohina anao, tapaho izy ka ario hiala aminao; fa tsara ho anao ny hiditra kilemaina na mandringa any amin’ny fiainana noho ny manana tanana roa sy tongotra roa, nefa hariana any amin’ny afo maharitra mandrakizay.
malagasy