Matthew 18:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary raha ny masonao no manafintohina anao, ongoty izy ka ario ho afaka aminao; fa tsara ho anao ny hiditra toka-maso amin’ny fiainana noho ny manana maso roa, nefa hariana any amin’ny afobe.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary raha ny masonao no manafintohina anao, esory ka ario lavitra anao, fa aleo toka-maso miditra any amin’ny fiainana ianao, toy izay mana-maso roa ariana any amin’ny gehen’afo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary raha mitarika anao amin’ny ratsy ny masonao ila, dia esory ka ario lavitra anao; fa aleo ianao toka-maso nefa tafiditra any amin’ny fiainana toy izay ary maso roa nefa atsipy any amin’ny lohasahan’afo.
Malagasy Bible 1865
Ary raha ny masonao no manafintohina anao, esory hiala izy, ka ario ho afaka aminao; fa tsara ho anao ny hiditra toka-maso amin'ny fiainana noho ny manana maso roa, nefa hariana any amin'ny helo mirehitra afo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary raha ny masonao no manafintohina anao, ongoty izy ka ario ho afaka aminao; fa tsara ho anao ny hiditra toka-maso amin’ny fiainana noho ny manana maso roa, nefa hariana any amin’ny afobe*.
malagasy
Ary raha ny masonao no manafintohina anao, esory hiala izy, ka ario ho afaka aminao; fa tsara ho anao ny hiditra toka-maso amin'ny fiainana noho ny manana maso roa, nefa hariana any amin'ny helo mirehitra afo.