Matthew 19:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
fa misy ionòka efa hatrany an-kibon’ny reniny; ary misy ionòka, noho ny nataon’ny olona; ary misy ionòka noho ny fanjakan’ny lanitra. Aoka handray izany izay mahay mandray.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa misy eonòka hatrany an-kibon-dreniny; misy eonòka nataon’ny olona, ary misy eonòka izay nanao ny tenany eonòka noho ny fanjakan’ny lanitra. Aoka handray izay mahay mandray.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Eny, misy olona tsy hanambady noho ny antony samihafa: ao ny tsy manambady, satria manan-kilema hatrany an-kibon-dreniny; ao ny tsy manambady, satria noterena hahazo takaitra; ary ao ny tsy manambady an-tsitrapo noho ny Fanjakàn’ny lanitra. Izay afa-mandray izany, aoka handray!
Malagasy Bible 1865
fa misy ionoka, izay teraka ionoka hatrany an-kibon-dreniny; ary misy ionoka, izay nataon'ny olona ionoka; ary misy ionoka, izay nanao ny tenany ionoka noho ny fanjakan'ny lanitra. Aoka handray izany izay mahay mandray.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
fa misy ionòka* efa hatrany an-kibon’ny reniny; ary misy ionòka, noho ny nataon’ny olona; ary misy ionòka noho ny fanjakan’ny lanitra. Aoka handray izany izay mahay mandray.
malagasy
fa misy ionoka, izay teraka ionoka hatrany an-kibon-dreniny; ary misy ionoka, izay nataon'ny olona ionoka; ary misy ionoka, izay nanao ny tenany ionoka noho ny fanjakan'ny lanitra. Aoka handray izany izay mahay mandray.