Matthew 19:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy Jesosy taminy: Raha te ho tanteraka ianao dia mandehana, amidio ny fanananao ka omeo ny mahantra, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia hanaraka Ahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Jesoa taminy: «Raha tahiny tianao ny ho lavorary, andeha amidio ny fanananao ka omeo ny mahantra, dia hanan-drakitra any an-danitra ianao; ary raha efa izany dia avia hanaraka Ahy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary i Jesoa nanao taminy hoe: –Raha te ho velona aina tanteraka ianao, ndeha amidio ny fanananao ka zarao amin’ny mahantra ny vidiny, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; raha efa izany, dia avia hiaraka amiko!
Malagasy Bible 1865
Dia hoy Jesosy taminy: Raha tia ho tanteraka ianao, mandehana, amidio ny fanananao, ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia hanaraka Ahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy Jesosy taminy: Raha te ho tanteraka ianao dia mandehana, amidio ny fanananao ka omeo ny mahantra, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia hanaraka Ahy.
malagasy
Dia hoy Jesosy taminy: Raha tia ho tanteraka ianao, mandehana, amidio ny fanananao, ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia hanaraka Ahy.