Matthew 19:28 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa rehefa tonga amin’ny fahateraham-baovao ka hipetraka amin’ny sezafiandrianan’ny voninahiny ny Zanak’Olona, ianareo koa, izay nanaraka Ahy, dia hipetraka amin’ny sezafiandrianana roa amby folo ka hitsara ny fokon’Israely roa amby folo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoy i Jesoa taminy: Lazaiko marina aminareo fa raha mby amin’ny andro fanavaozana, ny Zanak’olona dia hipetraka eo amin’ny fiketrahan’ny fiandrianany; ary ianareo izay nanaraka Ahy koa hipetraka amin’ny fiketrahana roa ambin’ny folo, ka hitsara ny foko roa ambin’ny folo amin’i Israely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: –Lazaiko marina aminareo fa rehefa hohavaozina tanteraka izao tontolo izao ka hipetraka eo amin’ny sezafiandrianany be voninahitra ny Zanak’olona, ianareo 12 lahy niaraka tamiko dia samy hipetraka amina sezafiandrianana mba hitsara ny foko 12 amin’i Israely.
Malagasy Bible 1865
Fa hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa rehefa mby amin'ny fanavaozana, ka hipetraka amin'ny seza fiandrianan'ny voninahiny ny Zanak'olona, ianareo koa, izay nanaraka Ahy, dia hipetraka amin'ny seza fiandrianana roa ambin'ny folo ka hitsara ny firenen'isiraely roa ambin'ny folo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa rehefa tonga amin’ny fahateraham-baovao ka hipetraka amin’ny sezafiandrianan’ny voninahiny ny Zanak’Olona*, ianareo koa, izay nanaraka Ahy, dia hipetraka amin’ny sezafiandrianana roa amby folo ka hitsara ny fokon’Israely roa amby folo.
malagasy
Fa hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa rehefa mby amin'ny fanavaozana, ka hipetraka amin'ny seza fiandrianan'ny voninahiny ny Zanak'olona, ianareo koa, izay nanaraka Ahy, dia hipetraka amin'ny seza fiandrianana roa ambin'ny folo ka hitsara ny firenen'isiraely roa ambin'ny folo.[Gr.fiteraham-baovao]