Matthew 19:29 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary izay rehetra efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na ray, na reny, na zanaka, na tany, noho ny anarako, dia handray avo zato heny ka handova fiainana mandrakizay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary izay rehetra handao ny tranony, na ny rahalahiny, na ny anabaviny, na ny rainy, na ny reniny, na ny vadiny, na ny zanany, na ny taniny noho ny Anarako, dia sady hahazo zato heny no handova ny fiainana mandrakizay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary izay rehetra mahafoy trano na mpiray tampo na ray aman-dreny na zanaka na tany noho ny fitiavana Ahy dia hahazo injato henin’izany ary hanana anjara amin’ny fiaina-maharitra mandrakizay.
Malagasy Bible 1865
Ary izay rehetra efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na ray, na reny, na zanaka, na tany, noho ny anarako, dia handray zato heny ka handova fiainana mandrakizay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary izay rehetra efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na ray, na reny, na zanaka, na tany, noho ny anarako, dia handray avo zato heny ka handova fiainana mandrakizay.
malagasy
Ary izay rehetra efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na ray, na reny, na zanaka, na tany, noho ny anarako, dia handray zato heny ka handova fiainana mandrakizay.[Ampio hoe: (na vady.)]Nefa maro izay voalohany no ho farany, ary izay farany no ho voalohany.