Matthew 19:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nisy Fariseo nanatona sady naka fanahy Azy hoe: Mahazo misaotra ny vadiny va ny lehilahy na inona na inona antony?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nisy Farisianina nanatona Azy mba haka fanahy Azy, ka nanao hoe: «Mahazo misao-bady va ny lehilahy, na inona na inona antony?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nisy Farisianina nanatona Azy mba hamandrika Azy ka nanontany hoe: –Azon’ny lehilahy atao ve ny manary vady na inona na inona antony?
Malagasy Bible 1865
Ary nisy Fariseo nanatona Azy, dia naka fanahy Azy hoe: Mahazo misaotra ny vadiny va ny lehilahy noho izay rehetra entiny iampangany azy na inona na inona?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nisy Fariseo* nanatona sady naka fanahy Azy hoe: Mahazo misaotra ny vadiny va ny lehilahy na inona na inona antony?
malagasy
Ary nisy Fariseo nanatona Azy, dia naka fanahy Azy hoe: Mahazo misaotra ny vadiny va ny lehilahy noho izay rehetra entiny iampangany azy na inona na inona?[Na: (Ary nanatona Azy ny Fariseo)]