Matthew 2:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nampiantso ireo Magy mangingina i Heroda ka namotopototra fatratra azy ireo ny amin’izay fotoana nisehoan’ilay kintana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nalain’i Herôda mangingina ny Majy, ka nohadihadiny fatratra ny andro nisehoan’ny kintana taminy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izay dia nampiantsoin’i Herôda mangingina ireto olon-kendry ka nofotopotoriny tsara taminy ilay fotoana nisehoan’ny kintana;
Malagasy Bible 1865
Dia nampaka ny Magy mangingina Heroda ka namototra fatratra taminy izay andro nisehoan'ilay kintana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nampiantso ireo Magy mangingina i Heroda ka namotopototra fatratra azy ireo ny amin’izay fotoana nisehoan’ilay kintana.
malagasy
Dia nampaka ny Magy mangingina Heroda ka namototra fatratra taminy izay andro nisehoan'ilay kintana.