Matthew 2:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia naniraka azy ireo hankany Betlehema izy ka niteny hoe: Andeha, hadihadio tsara ny amin’Ilay Zazakely; koa rehefa hitanareo Izy dia ambarao amiko mba hankanesako any koa hiankohoka eo anatrehany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary naniraka azy ho any Betlehema izy nanao hoe: «Andeha ka fotopotory tsara ny amin’ilay Zaza; ary rehefa hitanareo, dia ilazao aho mba hankanesako any koa hitsaoka Azy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
izay vao nalefany ho any Betlehema sady nataony hoe: –Ndeha àry ka fotopotory tsara ny amin’ilay zaza; rehefa hitanareo dia ilazao aho, fa te hankany koa aho hiankohoka eo anatrehany.
Malagasy Bible 1865
Dia naniraka azy hankany Betlehema izy ka nanao hoe: Andeha, fotory tsara ny amin'ilay Zazakely; koa rehefa hitanareo Izy, dia ambarao amiko, mba hankanesako any koa hiankohoka eo anatrehany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia naniraka azy ireo hankany Betlehema izy ka niteny hoe: Andeha, hadihadio tsara ny amin’Ilay Zazakely; koa rehefa hitanareo Izy dia ambarao amiko mba hankanesako any koa hiankohoka eo anatrehany.
malagasy
Dia naniraka azy hankany Betlehema izy ka nanao hoe: Andeha, fotory tsara ny amin'ilay Zazakely; koa rehefa hitanareo Izy, dia ambarao amiko, mba hankanesako any koa hiankohoka eo anatrehany.