Matthew 20:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa hoy izy tamin’ny iray: Ry sakaiza, tsy mba manao izay tsy rariny aminao aho; tsy denaria iray va no nifanekenao tamiko?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia izao no navalin’ny Tompo ny anankiray tamin’izy ireo: Ry sakaiza, tsy manao zavatra tsy marina aminao aho; moa tsy denie iray va no nifanekenao tamiko?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia novalian’ilay tompon’ny tanimboaloboka ny anankiray tamin’ireo ka nilazany hoe: «Ry sakaiza, tsy manao zavatra tsy an-drariny aminao aho. Moa tsy denàry anankiray ve no nifanekenao tamiko?
Malagasy Bible 1865
Fa izy namaly ka nanao tamin'ny anankiray amin'ireny hoe: Ry sakaiza, tsy mba manao izay tsy marina aminao aho; tsy efa denaria va no nifanekenao tamiko?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa hoy izy tamin’ny iray: Ry sakaiza, tsy mba manao izay tsy rariny aminao aho; tsy denaria iray va no nifanekenao tamiko?
malagasy
Fa izy namaly ka nanao tamin'ny anankiray amin'ireny hoe: Ry sakaiza, tsy mba manao izay tsy marina aminao aho; tsy efa denaria va no nifanekenao tamiko?