Matthew 20:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy Izy taminy: Inona no irinao? Dia hoy Ravehivavy Taminy: Manomeza teny mba hipetrahan’ireto zanako roa lahy ireto ao amin’ny fanjakanao; koa ny iray dia ho eo amin’ny ankavananao ary ny iray dia ho eo amin’ny ankavianao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Inona no irinao?», hoy i Jesoa taminy. Dia hoy izy: «Aoka ireto zanako roa lahy ireto mba hipetraka eo ankavananao ny anankiray ary eo ankavianao ny anankiray, ao amin’ny fanjakanao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ka hoy i Jesoa tamin-dravehivavy: –Inona no irînao? Dia novaliany hoe: –Omeo teny ireto zanako roa lahy ireto fa hipetraka eo ankavananao ny anankiray ary eo ankavianao ny anankiray, rehefa tonga mpanjaka Ianao.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Izy taminy: Inona no irinao? Dia hoy ravehivavy taminy: Mandidia mba hipetrahan'ireto zanako roa lahy ireto, ny anankiray ho eo amin'ny ankavananao, ary ny anankiray ho eo amin'ny ankavianao, ao amin'ny fanjakanao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy Izy taminy: Inona no irinao? Dia hoy Ravehivavy Taminy: Manomeza teny mba hipetrahan’ireto zanako roa lahy ireto ao amin’ny fanjakanao; koa ny iray dia ho eo amin’ny ankavananao ary ny iray dia ho eo amin’ny ankavianao.
malagasy