Matthew 20:22 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa Jesosy namaly azy hoe: Tsy fantatrareo izay angatahinareo; hainareo va ny hisotro amin’ny kapoaka izay efa hisotroako? Hoy ireo Taminy: Hainay ihany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy ny famalin’i Jesoa: «Tsy fantatrareo izay angatahinareo. Moa mahasotro izay kapoaka hosotroiko va ianareo?» «Efanay ihany,» hoy ireo taminy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa hoy i Jesoa: –Tsy fantatrareo mirahalahy izay angatahinareo; vitanareo ve ny hiaritra fijaliana tahaka ny hiaretako? Dia novalian’izy mirahalahy hoe: –Vitanay!
Malagasy Bible 1865
Fa Jesosy namaly ka nanao hoe: Tsy fantatrareo izay angatahinareo; hainareo va ny misotro amin'ny kapoaka izay efa hisotroako? Hoy izy roa lahy taminy: Hainay ihany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa Jesosy namaly azy hoe: Tsy fantatrareo izay angatahinareo; hainareo va ny hisotro amin’ny kapoaka izay efa hisotroako? Hoy ireo Taminy: Hainay ihany.
malagasy
Fa Jesosy namaly ka nanao hoe: Tsy fantatrareo izay angatahinareo; hainareo va ny misotro amin'ny kapoaka izay efa hisotroako? Hoy izy roa lahy taminy: Hainay ihany.