Matthew 20:23 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy Izy taminy: Hisotro amin’ny kapoakako tokoa ianareo; fa ny hipetraka eo ankavanako sy eo ankaviako dia tsy anjarako ny hanome izany; fa homena ho an’izay nanomanan’ny Raiko azy izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy Izy taminy: «Raha ny amin’ny kapoakako, dia hosotroinareo tokoa; fa raha ny amin’ny hipetraka eo ankavanako sy eo ankaviako kosa, dia tsy Ahy ny hanome anareo izany, fa homena izay nanamboaran’ny Raiko azy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy i Jesoa tamin’izy roa lahy: –Ny fijaliana hiaretako, dia hiaretanareo tokoa; fa izany hoe hipetraka eo ankavanako sy eo ankaviako izany kosa dia tsy miankina amiko, fa ho an’izay nanomanan’ny Raiko azy!
Malagasy Bible 1865
Hoy kosa Izy taminy: Hisotro amin'ny kapoakako tokoa ianareo; fa ny hipetraka eo an-tanako ankavanana sy eo an-tanako ankavia, dia tsy Ahy ny hanome izany; fa izay nanamboaran'ny Raiko izany no homena.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy Izy taminy: Hisotro amin’ny kapoakako tokoa ianareo; fa ny hipetraka eo ankavanako sy eo ankaviako dia tsy anjarako ny hanome izany; fa homena ho an’izay nanomanan’ny Raiko azy izany.
malagasy