Matthew 20:25 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nefa Jesosy niantso azy ireo hankeo Aminy ka niteny hoe: Fantatrareo fa ny mpitondra eo amin’ny Jentilisa dia mampanompo azy mafy ary ny lehibeny dia manapaka azy fatratra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa nasain’i Jesoa nanatona Azy izy ireo, ka nilazany hoe: «Fantatrareo fa ny mpanjakan’ny Jentily mandidy azy mafy, ary ny lehibeny mifehy azy fatratra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa nantsoin’i Jesoa izy rehetra ka nilazany hoe: –Fantatrareo fa, eo amin’ny hafa firenena, ny filoha dia manjakazaka; ary ny lehibe dia manampatra fahefana.
Malagasy Bible 1865
Fa Jesosy niantso azy hankeo aminy ka nanao hoe: Fantatrareo fa ny andrianan'ny jentilisa mampanompo azy tokoa, ary ny lehibeny manapaka azy fatratra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nefa Jesosy niantso azy ireo hankeo Aminy ka niteny hoe: Fantatrareo fa ny mpitondra eo amin’ny Jentilisa* dia mampanompo azy mafy ary ny lehibeny dia manapaka azy fatratra.
malagasy
Fa Jesosy niantso azy hankeo aminy ka nanao hoe: Fantatrareo fa ny andrianan'ny jentilisa mampanompo azy tokoa, ary ny lehibeny manapaka azy fatratra.