Matthew 20:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa hariva ny andro dia hoy ny tompon’ny tanim-boaloboka tamin’ny mpitandrina ny raharahany: Antsoy ny mpiasa ka aloavy ny karamany: Atombohy amin’ireo farany mankany amin’ny voalohany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nony hariva ny andro, dia hoy ilay tompon’ny tanimboaloboka tamin’ny mpitandrina ny fananany: Antsoy ny mpiasa, ary omeo ny karamany, aseseo avy atỳ amin’ny farany, ka hatrany amin’ny voalohany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
–Nony hariva ny andro, dia hoy ny tompon’ilay tanimboaloboka tamin’ny mpitandrim-pananany hoe: «Antsoy ny mpiasa ary aloavy ny karamany, ka aseseo avy amin’ireo nilatsaka farany ka hatramin’ireo nilatsaka voalohany.»
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa hariva ny andro, dia hoy ny tompon'ny tanim-boaloboka tamin'ny mpitandrina ny raharahany: Antsoy ny mpiasa, ka aloavy ny karamany: atombohy amin'ireo taoriana ka vao hatramin'ireo voalohany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa hariva ny andro dia hoy ny tompon’ny tanim-boaloboka tamin’ny mpitandrina ny raharahany: Antsoy ny mpiasa ka aloavy ny karamany: Atombohy amin’ireo farany mankany amin’ny voalohany.
malagasy