Matthew 21:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary Jesosy niditra tao amin’ny tempoly dia nandroaka izay rehetra nivarotra sy nividy tao amin’ny tempoly ka nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola sy ny sezan’ny mpivarotra voromailala;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia niditra tao amin’ny Tempolin’Andriamanitra i Jesoa, ka nandroaka izay rehetra nivarotra sy nividy tao anatin’ny Tempoly, sady nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola mbamin’ny fipetrahan’ny mpivaro-boromahailala.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia namantana tao an-kianjan’ny tempoly i Jesoa; ka ireo mpivarotra sy mpividy teo dia noroahiny avokoa, ny latabatr’ireo mpanakalo vola sy ny sezan’ireo mpivaro-boromahailala nazerany;
Malagasy Bible 1865
Ary Jesosy niditra teo an-kianjan'ny tempolin'Andriamanitra, dia nandroaka izay rehetra nivarotra sy nividy teo an-kianjan'ny tempoly ka nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola sy ny fipetrahan'ny mpivarotra ny voromailala;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary Jesosy niditra tao amin’ny tempoly dia nandroaka izay rehetra nivarotra sy nividy tao amin’ny tempoly ka nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola sy ny sezan’ny mpivarotra voromailala;
malagasy