Matthew 21:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa nony hitan’ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpanoradalàna ny zava-mahagaga izay nataony sy ny ankizy madinika miantsoantso ao amin’ny tempoly hoe: Hosana ho an’ny Zanak’i Davida! Dia tezitra ry zareo
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa tezitra ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, nony nahita ny fahagagana nataony sy ireto ankizy madinika nihoraka tao an-Tempoly nanao hoe: «Hôzàna ho an’ny Zanak’i Davida,»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa tezitra mafy kosa ireo lohandoha-mpisorona sy ireo mpahay lalàna nony nahita ny zava-mahagaga nataony sy nahita ny ankizy madinika niantsoantso tao an-kianjan’ny tempoly hoe: «Dera anie ho an’ny Zanak’i Davida!»
Malagasy Bible 1865
Fa nony hitan'ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ny zavatra mahagaga izay nataony sy ny ankizy madinika miantso eo an-kianjan'ny tempoly ka manao hoe: Hosana ho an'ny Zanak'i Davida! - dia tezitra izy
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa nony hitan’ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpanoradalàna* ny zava-mahagaga izay nataony sy ny ankizy madinika miantsoantso ao amin’ny tempoly hoe: Hosana* ho an’ny Zanak’i Davida! Dia tezitra ry zareo
malagasy
Fa nony hitan'ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ny zavatra mahagaga izay nataony sy ny ankizy madinika miantso eo an-kianjan'ny tempoly ka manao hoe: Hosana ho an'ny Zanak'i Davida! - dia tezitra izy