Matthew 21:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nahita hazo aviavy iray teo amoron-dalana anefa Izy dia nanatona, kanjo tsy nahita na inona na inona teo aminy, afa-tsy ravina ihany; dia hoy Izy taminy: Aza misy voa avy aminao intsony mandrakizay. Dia maina niaraka tamin’izay ilay hazo aviavy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nahita aviavim-bazaha anankiray teo amoron-dalana Izy, dia nankeo aminy, kanjo tsy nahita teo aminy afa-tsy ravina ihany; dia hoy Izy taminy: «Aza misy voa avy aminao mandrakizay.» Niaraka tamin’izay dia maina ilay aviavy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nahatazana aviavy anankiray teo amoron-dalana Izy, dia lasa nankeo; kanjo tsy nahita na inona na inona teo aminy afa-tsy raviny fotsiny. Dia hoy i Jesoa tamin’ilay aviavy: –Tsy hamoa intsony ianao na oviana na oviana! Ary vetivety foana dia maina ilay aviavy.
Malagasy Bible 1865
Ary nahita hazo aviavy anankiray teo amoron-dalana Izy, dia nankeo aminy, kanjo tsy nahita na inona na inona teo aminy, afa-tsy ravina ihany; dia hoy Izy taminy: Aza misy voa avy aminao intsony mandrakizay. Dia maina vetivety foana ilay hazo aviavy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nahita hazo aviavy iray teo amoron-dalana anefa Izy dia nanatona, kanjo tsy nahita na inona na inona teo aminy, afa-tsy ravina ihany; dia hoy Izy taminy: Aza misy voa avy aminao intsony mandrakizay. Dia maina niaraka tamin’izay ilay hazo aviavy.
malagasy
Ary nahita hazo aviavy anankiray teo amoron-dalana Izy, dia nankeo aminy, kanjo tsy nahita na inona na inona teo aminy, afa-tsy ravina ihany; dia hoy Izy taminy: Aza misy voa avy aminao intsony mandrakizay. Dia maina vetivety foana ilay hazo aviavy.[aviavimbazaha]