Matthew 21:23 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa tafiditra tao amin’ny tempoly Jesosy ka nampianatra dia nanatona Azy ny lehiben’ny mpisorona sy ny loholona ka niteny hoe: Fahefana manao ahoana no anaovanao izao? Ary iza no nanome Anao izao fahefana izao?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary rehefa tafiditra tao amin’ny Tempoly Izy ka nampianatra teo, dia nanatona Azy ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona ka nanao hoe: «Fahefana avy aiza no anaovanao izao? ary iza no nahazoanao izany fahefana izany?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony tafiditra tao an-kianjan’ny tempoly i Jesoa, dia nampianatra. Ary nanatona Azy ny lohandoha-mpisorona sy ny loholon ’ny vahoaka jiosy ka nanontany Azy hoe: –Fahefana ahoana moa no anaovanao an’izao? Ary iza no nanome anao izany fahefana izany?
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa tafiditra teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy ka nampianatra, dia nanatona Azy ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona ka nanao hoe: Fahefana manao ahoana no anaovanao izao? Ary iza no nanome Anao izao fahefana izao?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa tafiditra tao amin’ny tempoly Jesosy ka nampianatra dia nanatona Azy ny lehiben’ny mpisorona sy ny loholona ka niteny hoe: Fahefana manao ahoana no anaovanao izao? Ary iza no nanome Anao izao fahefana izao?
malagasy