Matthew 21:25 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny batisan’i Jaona, avy taiza moa izany? Avy tany an-danitra va sa avy tamin’ny olona? Ary nikaon-doha izy ireo ka niteny hoe: Raha lazaintsika hoe: Avy tany an-danitra, dia hovaliany isika hoe: Koa nahoana no tsy nino azy ianareo?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Avy taiza moa ny batemin’i Joany? avy tany an-danitra, sa avy tamin’ny olona?» Dia nieritreritra ireo ka nanao hoe:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Iza no naniraka an’i Jôhany hanao batisa, Andriamanitra sa olombelona? Dia velona ady hevitra ry zareo ka nifampiresaka hoe: –Raha lazaintsika hoe: «Andriamanitra no naniraka azy», dia isika no hataony hoe: «Koa nahoana no tsy ninoanareo i Jôhany?»
Malagasy Bible 1865
Ny batisan'i Jaona, avy taiza moa izany? Avy tany an-danitra va, sa avy tamin'ny olona? Ary izy ireo niara-nisaina ka nanao hoe: Raha holazaintsika hoe mantsy: Avy tany an-danitra, dia hovaliany hoe isika: Ka nahoana no tsy nino azy ianareo?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny batisan’i Jaona, avy taiza moa izany? Avy tany an-danitra va sa avy tamin’ny olona? Ary nikaon-doha izy ireo ka niteny hoe: Raha lazaintsika hoe: Avy tany an-danitra, dia hovaliany isika hoe: Koa nahoana no tsy nino azy ianareo?
malagasy
Ny batisan'i Jaona, avy taiza moa izany? Avy tany an-danitra va, sa avy tamin'ny olona? Ary izy ireo niara-nisaina ka nanao hoe: Raha holazaintsika hoe mantsy: Avy tany an-danitra, dia hovaliany hoe isika: Ka nahoana no tsy nino azy ianareo?[Na:nieritreritra]