Matthew 21:31 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa iza amin’izy mirahalahy moa no nanao ny sitrapon’ny rainy? Dia hoy ireo: Ny lahimatoa. Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga dia mialoha anareo ho any amin’ny fanjakan’Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Iza moa amin’izy roa lahy no nanao ny sitrapon’ny rainy?»: «Ny lahimatoa,» hoy ireo. Dia hoy i Jesoa taminy: «Izaho milaza marina aminareo fa ny Poblikanina sy ny vehivavy janga no efa mialoha anareo, ho amin’ny fanjakan’Andriamanitra»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Iza moa amin’izy mirahalahy no nanao ny sitrapon-drainy? Dia hoy ireo: –Ilay faharoa! Ary i Jesoa nanao tamin-dry zareo hoe: –Lazaiko marina aminareo fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy mpivarotena dia efa nialoha anareo ao amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra.
Malagasy Bible 1865
Ka iza moa amin'izy mirahalahy no nanao ny sitrapon'ny rainy? Hoy izy: Ny lahimatoa. Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga efa mialoha anareo ho amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa iza amin’izy mirahalahy moa no nanao ny sitrapon’ny rainy? Dia hoy ireo: Ny lahimatoa. Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga dia mialoha anareo ho any amin’ny fanjakan’Andriamanitra.
malagasy