Matthew 21:32 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa nankany aminareo tamin’ny lalan’ny fahamarinana i Jaona, nefa tsy nino azy ianareo; fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga no nino azy; fa ianareo kosa, na dia efa nahita izany aza, dia mbola tsy nanenina avy eo mba hinoanareo azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Fa tonga teto aminareo tamin’ny lalan’ny fahamarinana i Joany, nefa ianareo tsy nino azy; fa ny Poblikanina sy ny vehivavy janga no nino azy; ary ianareo, na dia nahita izany aza, dia tsy mbola nanenina akory mba hinoanareo azy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Eny, tonga teo aminareo i Jôhany Mpanao batisa, ary naneho taminareo ny lala-marina voasoritr’Andriamanitra, saingy tsy nino an’i Jôhany ianareo, fa ireo mpamory hetra sy vehivavy mpivarotena no nino azy; ary ianareo kosa, na dia efa nahita azy ireny aza, dia mbola tsy nanenina ihany taorian’izany mba hinoanareo an’i Jôhany.
Malagasy Bible 1865
Fa Jaona nankany aminareo tamin'ny lalan'ny fahamarinana, nefa tsy nino azy ianareo; fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga no nino azy; fa ianareo kosa, na dia efa nahita izany aza, dia mbola tsy nanenina mba hinoanareo azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa nankany aminareo tamin’ny lalan’ny fahamarinana i Jaona, nefa tsy nino azy ianareo; fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga no nino azy; fa ianareo kosa, na dia efa nahita izany aza, dia mbola tsy nanenina avy eo mba hinoanareo azy.
malagasy