Matthew 21:33 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mihainoa fanoharana hafa koa: Nisy lehilahy tompon-trano nanamboatra tanim-boaloboka ka namefy azy manodidina sy nihady famiazana teo anatiny ary nanorina trano fiambenana, dia nahofany tamin’olona mpiasa tany izany ary nandeha ho any an-tany lavitra izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Mihainoa fanoharana hafa koa: Nisy lehilahy tompon-trano anankiray namboly voaloboka; namefy azy manodidina izy, sy nandavaka tany hanaovana famiazana teo, ary nanao tilikambo; dia nahofany tamin’ny mpiasa izany, ka lasa nandeha lavitra izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
–Mihainoa fanoharana hafa koa: Nisy mpanan-tany nanamboatra tanimboaloboka sy namefy azy manodidina ary nanao lavaka famiazam-bokatra sy tilikambo fiambenana; dia nampanofa azy tamina mpamboly ary lasa nankany an-tany hafa.
Malagasy Bible 1865
Mihainoa fanoharana hafa koa: Nisy lehilahy tompon-trano nanao tanim-boaloboka, dia namefy azy manodidina dia nihady famiazana teo anatiny, dia nanao tilikambo, ary dia nahofany tamin'olona mpiasa tany izany, ka nandeha ho any amin'ny tany hafa izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mihainoa fanoharana hafa koa: Nisy lehilahy tompon-trano nanamboatra tanim-boaloboka ka namefy azy manodidina sy nihady famiazana teo anatiny ary nanorina trano fiambenana, dia nahofany tamin’olona mpiasa tany izany ary nandeha ho any an-tany lavitra izy.
malagasy