Matthew 21:42 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy Jesosy taminy: Tsy mbola novakinareo akory tao amin’ny Soratra Masina va izao: «Ny vato izay nolavin’ny mpanao trano, dia izany no tonga vato fehizoro; avy tamin’NY TOMPO izao ka mahagaga eo imasontsika?» (Sal 118.22, 23)
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy i Jesoa taminy: Tsy mba novakinareo va ny Soratra Masina hoe: Ny vato narian’ny mpanao trano no efa tonga vato fehizoro; avy tamin’ny Tompo izany, ka mahagaga eo imasontsika?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary izao no tenin’i Jesoa tamin’ny lohandoha-mpisorona sy ny Farisianina: –Tsy novakînareo angaha ny Soratra Masina manao hoe: «Ny vato nolavin’ny mpanao trano no nanjary vato fehizoro; avy amin’ny Tompo izao, ary dia zava-mahagaga eto ambany masontsika!»
Malagasy Bible 1865
Hoy Jesosy taminy: Tsy mbola novakinareo va ny teny ao amin'ny Soratra Masina hoe: Ny vato izay nolavin'ny mpanao trano, Dia izy no efa natao fehizoro; Avy tamin'i Jehovah izao Ka mahagaga eo imasontsika? (Sal. 118. 22-23).
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy Jesosy taminy: Tsy mbola novakinareo akory tao amin’ny Soratra Masina va izao: «Ny vato izay nolavin’ny mpanao trano, dia izany no tonga vato fehizoro; avy tamin’NY TOMPO izao ka mahagaga eo imasontsika?» (Sal 118.22, 23)
malagasy