Matthew 21:45 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary rehefa ren’ny lehiben’ny mpisorona sy ny Fariseo ny fanoharana nataon’i Jesosy dia fantany fa ny tenan-dry zareo no nolazainy tamin’izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony nandre ny fanoharana nataony ny lohandohan’ny mpisorona sy ny Farisianina, dia nahalala fa izy ireo no lazainy amin’izany,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony nandre ireo fanoharana nataon’i Jesoa ireo ny lohandoha-mpisorona sy ny Farisianina, dia nahatsiaro tena ho lazainy amin’izany.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa ren'ny lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo ny fanoharana nataon'i Jesosy, dia fantany fa ny tenany no nolazainy amin'izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary rehefa ren’ny lehiben’ny mpisorona sy ny Fariseo* ny fanoharana nataon’i Jesosy dia fantany fa ny tenan-dry zareo no nolazainy tamin’izany.
malagasy
Ary rehefa ren'ny lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo ny fanoharana nataon'i Jesosy, dia fantany fa ny tenany no nolazainy amin'izany.Dia nitady hisambotra Azy izy, saingy natahotra ny vahoaka, satria nataon'ny vahoaka ho mpaminany Jesosy.