Matthew 21:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny vahoaka izay nialoha Azy sy izay nanaraka dia niantsoantso hoe: « Hosana ho an’ny Zanak’i Davida! Isaorana anie izay avy amin’ny anaran’NY TOMPO! Hosana any amin’ny avo indrindra» (Sal 118.26).
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary ny vahoaka izay nialoha sy izay nanaraka Azy, samy niantso nanao hoe: «Hôzàna ho an’ny Zanak’i Davida. Hisaorana anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo! Hôzàna any amin’ny avo indrindra.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary ny vahoaka izay nialoha Azy sy izay nanaraka dia samy niantsoantso hoe: «Dera anie ho an’ny Zanak’i Davida! Hombam-pitahiana amin’ny anaran’ny Tompo anie Ilay avy! Dera anie ho an’Andriamanitra any amin’ny avo indrindra!»
Malagasy Bible 1865
Ary ny vahoaka izay nialoha Azy sy izay nanaraka dia niantso hoe: Hosana ho an'ny Zanak'i Davida! Isaorana anie Izay avy amin'ny anaran'i Jehovah! Hosana any amin'ny avo indrindra (Sal. 118. 26).
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny vahoaka izay nialoha Azy sy izay nanaraka dia niantsoantso hoe: « Hosana* ho an’ny Zanak’i Davida! Isaorana anie izay avy amin’ny anaran’NY TOMPO! Hosana any amin’ny avo indrindra» (Sal 118.26).
malagasy
Ary ny vahoaka izay nialoha Azy sy izay nanaraka dia niantso hoe: Hosana ho an'ny Zanak'i Davida! Isaorana anie Izay avy amin'ny anaran'i Jehovah! Hosana any amin'ny avo indrindra (Sal. 118. 26).[Hosana = vonjeo re!]