Matthew 22:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia naniraka mpanompo hafa indray izy ka niteny hoe: Lazao amin’ireo izay efa nasaina hoe: Indro, efa vonona ny sakafo nomaniko; efa voavono ny ombiko sy ny nafahiko ka efa vonona avokoa ny zavatra rehetra; koa tongava amin’izay atỳ amin’ny fampakaram-bady ianareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia naniraka ankizy hafa indray izy nanao hoe: ‹Lazao amin’ny nasaina hoe: Indro efa voavoatra ny nahandro ka efa voavono ny ombiko sy ny zavatra rehetra, koa tongava atỳ amin’ny fampakaram-bady ianareo›.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia mpiasa hafa indray no nirahiny sady nataony hoe: «Izao lazaina amin’ireo olona nasaina: Indro ny sakafo efa voaomako, ny ombiko sy ny biby nafahy efa voavono ary ny zavatra rehetra efa vonona; koa tongava amin’ny fanasambe.»
Malagasy Bible 1865
Dia naniraka mpanompo hafa koa indray izy ka nanao hoe: Lazao amin'ny efa nasaina hoe: Indro, efa voavoatra ny nahandroko; efa voavono ny ombiko sy ny nafahiko, ka efa voavoatra avokoa ny zavatra rehetra; koa mankanesa atỳ amin'ny fampakaram-bady ianareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia naniraka mpanompo hafa indray izy ka niteny hoe: Lazao amin’ireo izay efa nasaina hoe: Indro, efa vonona ny sakafo nomaniko; efa voavono ny ombiko sy ny nafahiko ka efa vonona avokoa ny zavatra rehetra; koa tongava amin’izay atỳ amin’ny fampakaram-bady ianareo.
malagasy