Matthew 23:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Lozanareo, mpanoradalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa mandeha mitety ny ranomasina sy ny tany maina ianareo mba hahazoanareo prozelita iray monja; ary rehefa azonareo izy dia ataonareo zanaky ny afobe indroa mihoatra noho ianareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mila loza ianareo mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, noho ianareo mitetitety ny ranomasina sy ny tanety mba hahazo mpianatra na dia iray aza; ka nony mahazo ianareo, dia ataonareo zanaky ny gehen’afo mihoatra indroa noho ianareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mampalahelo ianareo, ry mpahay lalàna sy Farisianina! Fa tetezinareo ny tany sy ny ranomasina mba hahazoanareo olona hafa firenena iray monja hanaraka ny fivavahanareo; ary rehefa manaraka ny fivavahanareo izy, dia ataonareo mendrika ny lohasahan’afo indroa mihoatra anareo.
Malagasy Bible 1865
Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa mandeha mitety ny ranomasina sy ny tany maina ianareo mba hahazoanareo na dia iray ihany aza ho proselyta; ary rehefa azonareo izy, dia ataonareo zanaky ny helo mihoatra indroa noho ianareo aza.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Lozanareo, mpanoradalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa mandeha mitety ny ranomasina sy ny tany maina ianareo mba hahazoanareo prozelita* iray monja; ary rehefa azonareo izy dia ataonareo zanaky ny afobe* indroa mihoatra noho ianareo.
malagasy
Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa mandeha mitety ny ranomasina sy ny tany maina ianareo mba hahazoanareo na dia iray ihany aza ho proselyta; ary rehefa azonareo izy, dia ataonareo zanaky ny helo mihoatra indroa noho ianareo aza.