Matthew 23:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Lozanareo, jamba nefa mpitarika izay milaza hoe: Raha misy mianiana amin’ny tempoly dia tsy mampaninona izany; fa raha misy mianiana amin’ny volamenan’ny tempoly dia mamato-tena izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mila loza ianareo, ry mpitari-dalana jamba izay manao hoe: Raha misy mianiana amin’ny Tempoly, dia tsy mampaninona izany; fa raha misy mianiana amin’ny volamena izay ao amin’ny Tempoly, dia voafehy izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mampalahelo ianareo, ry mpitari-dalana jamba! Fa hoy ianareo hoe: «Raha misy mianiana amin’ny Toeramasina, dia tsy voafehin’ny fianianany velively; fa raha misy mianiana amin’ny volamena raketin’ny Toeramasina, dia voafehin’ny fianianany.»
Malagasy Bible 1865
Lozanareo, mpitarika jamba izay manao hoe: Raha misy mianiana amin'ny tempoly, dia tsy mampaninona izany; fa raha misy mianiana amin'ny volamena amin'ny tempoly, dia haningo-tena izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Lozanareo, jamba nefa mpitarika izay milaza hoe: Raha misy mianiana amin’ny tempoly dia tsy mampaninona izany; fa raha misy mianiana amin’ny volamenan’ny tempoly dia mamato-tena izy.
malagasy
Lozanareo, mpitarika jamba izay manao hoe: Raha misy mianiana amin'ny tempoly, dia tsy mampaninona izany; fa raha misy mianiana amin'ny volamena amin'ny tempoly, dia haningo-tena izy.