Matthew 23:25 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Lozanareo, mpanoradalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa diovinareo ny ivelan’ny kapoaka sy ny lovia nefa ny ao anatiny dia feno fandrobana sy tsy fahononana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mila loza ianareo, ry mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, fa ny vohon’ny kapoaka sy ny lovia diovinareo, nefa ny ao anatiny feno halatra sy tsy fahononana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mampalahelo ianareo, ry mpahay lalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy! Fa diovinareo ny vohon’ny kaopy sy ny lovia, nefa ny ao anatiny dia feno ireo vokatry ny halatrareo sy ny tsy fahalalanareo onona.
Malagasy Bible 1865
Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa diovinareo ny vohon'ny kapoaka sy ny lovia, nefa ny ao anatiny dia feno rombaka sy tsi-fahononana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Lozanareo, mpanoradalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa diovinareo ny ivelan’ny kapoaka sy ny lovia nefa ny ao anatiny dia feno fandrobana sy tsy fahononana.
malagasy
Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa diovinareo ny vohon'ny kapoaka sy ny lovia, nefa ny ao anatiny dia feno rombaka sy tsi-fahononana.