Matthew 23:34 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary noho izany dia indro Aho maniraka mpaminany sy olon-kendry ary mpanoradalàna ho atỳ aminareo; koa ny sasany dia hovonoinareo sy hohomboinareo amin’ny hazofijaliana, ny sasany dia hokapohinareo ao amin’ny sinagoganareo sy henjehinareo any amin’ny tanàna sy vohitra
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa amin’izany, indro fa anirahako mpaminany sy olon-kendry ary mpanora-dalàna ianareo; fa ny sasany hovonoinareo sy hofantsihanareo amin’ny hazofijaliana, ary ny sasany hokapohinareo amin’izay tanàna halehany,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noho izany, indro Aho maniraka mpaminany sy olon-kendry ary mpahay lalàna ho atỳ aminareo; ka ny sasany amin’ireny hovonoinareo sy hohomboanareo amin’ny hazofijaliana, ary ny sasany hokapohinareo any amin’ny sinagôganareo sy hoenjehinareo isan-tanàna.
Malagasy Bible 1865
Ary noho izany, indro, Izaho maniraka mpaminany sy olon-kendry ary mpanora-dalàna ho atỳ aminareo; koa ny sasany hovonoinareo sy hohomboanareo amin'ny hazo fijaliana, ary ny sasany hokapohinareo ao amin'ny synagoganareo sy henjehinareo mitety vohitra,-
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary noho izany dia indro Aho maniraka mpaminany sy olon-kendry ary mpanoradalàna ho atỳ aminareo; koa ny sasany dia hovonoinareo sy hohomboinareo amin’ny hazofijaliana, ny sasany dia hokapohinareo ao amin’ny sinagoganareo sy henjehinareo any amin’ny tanàna sy vohitra
malagasy