Matthew 23:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Eny, mamehy entana izay sady mavesatra no sarotra entina izy ka mametraka izany eo amin’ny soroky ny olona, nefa ny tenany dia tsy mety manetsika izany na dia amin’ny rantsantanany iray aza.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fehezin’izy ireo ny zava-mavesatra sarotra entina, dia atainginy eo an-tsoroky ny olona, nefa izy tsy mety hanetsika izany na dia amin’ny rantsan-tanany akory aza.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Entam-be sady tsy zaka no feheziny ka atainginy eo an-tsoroky ny olona, nefa na dia ny rantsan-tanan-dry zareo aza tsy tiany hanetsika izany.
Malagasy Bible 1865
Eny, mamehy entana sady mavesatra no sarotra entina izy ka manaingina izany eo amin'ny soroky ny olona, nefa ny tenany tsy mety manetsika izany na dia amin'ny rantsan-tànany anankiray asa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Eny, mamehy entana izay sady mavesatra no sarotra entina izy ka mametraka izany eo amin’ny soroky ny olona, nefa ny tenany dia tsy mety manetsika izany na dia amin’ny rantsantanany iray aza.
malagasy
Eny, mamehy entana sady mavesatra no sarotra entina izy ka manaingina izany eo amin'ny soroky ny olona, nefa ny tenany tsy mety manetsika izany na dia amin'ny rantsan-tànany anankiray asa.