Matthew 23:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny asany rehetra dia ataony mba ho hitan’ny olona; fa ataony lehibe ny filakiterany ary ataony vaventy ny morontongotr’akanjony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny mba ho hitan’ny olona ihany no anaovany ny asany rehetra, ka dia filakitera lehibebe kokoa sy somotraviavin-damba lavalava kokoa noho ny an’ny olona no entiny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny asany rehetra dia ataony mba ho hitan’ny olona; ka dia lehibe ny azy ny boaty mirakitra tenin’ny lalàna fitondra eny an-kandrina na eny an-tsandry, ary vaventy ny somotraviavy eny amin’ny lambany.
Malagasy Bible 1865
Ary ny asany rehetra dia ataony mba ho hitan'ny. olona; fa ataony lehibe ny fylakiterany, ary ataony vaventy ny somotraviaviny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny asany rehetra dia ataony mba ho hitan’ny olona; fa ataony lehibe ny filakiterany ary ataony vaventy ny morontongotr’akanjony.
malagasy
Ary ny asany rehetra dia ataony mba ho hitan'ny. olona; fa ataony lehibe ny fylakiterany, ary ataony vaventy ny somotraviaviny.