Matthew 24:29 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha vao afaka ny fahoriana amin’ireo andro ireo dia hohamaizinina ny masoandro ary tsy hahazava ny volana; hiraraka avy eny amin’ny lanitra ny kintana ary hohozongozonina ny herin’ny lanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Ary raha vao afaka izany andron’ny fahoriana izany, dia hihamaizina ny masoandro, tsy hahazava ny volana, hiraraka avy eny an-danitra ny kintana, ary hihozongozona ny herin’ny lanitra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha vao afaka ny fijaliana amin’ireo andro ireo, dia hihamaizina ny masoandro, tsy handefa taratra intsony ny volana, hiraraka avy eny amin’ny habakabaka ny kintana ary ho voahozongozona ny herin’ny habakabaka.
Malagasy Bible 1865
Ary raha vao afaka ny fahoriana amin'ireo andro ireo, ny masoandro dia hohamaizinina, ary ny volana tsy hahazava; ny kintana hiraraka avy any an-danitra, ary ny herin'ny lanitra hohozongozonina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha vao afaka ny fahoriana amin’ireo andro ireo dia hohamaizinina ny masoandro ary tsy hahazava ny volana; hiraraka avy eny amin’ny lanitra ny kintana ary hohozongozonina ny herin’ny lanitra.
malagasy
Ary raha vao afaka ny fahoriana amin'ireo andro ireo, ny masoandro dia hohamaizinina, ary ny volana tsy hahazava; ny kintana hiraraka avy any an-danitra, ary ny herin'ny lanitra hohozongozonina.