Matthew 24:30 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Amin’izay no hiseho eny amin’ny lanitra ny famantarana ny Zanak’Olona ka hitomany ny firenena rehetra ambonin’ny tany, ary hahita ny Zanak’Olona avy amin’ny hery sy voninahitra lehibe eny amin’ny rahon’ny lanitra izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’izany dia hiseho eny an-danitra ny famantaran’ny Zanak’olona, ka handòn-tratra avokoa ny firenena rehetra eto ambonin’ny tany; ary ho hitany eo ambonin’ny rahon’ny lanitra ny Zanak’olona avy, amin-kery sy voninahitra lehibe.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’izay dia hiseho eny amin’ny habakabaka ny famantarana momba ny Zanak’olona; ka handon-tratra avokoa ny firenena rehetra eto an-tany ary hahita ny Zanak’olona tamy eo amin’ny rahon’ny habakabaka sady ombàn-kery sy voninahitra lehibe.
Malagasy Bible 1865
Ary amin'izany andro izany dia hiseho eo amin'ny lanitra ny famantarana ny Zanak'olona, ka dia hitomany ny firenena rehetra ambonin'ny tany, ary hahita ny Zanak'olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe eo amin'ny rahon'ny lanitra izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Amin’izay no hiseho eny amin’ny lanitra ny famantarana ny Zanak’Olona* ka hitomany ny firenena rehetra ambonin’ny tany, ary hahita ny Zanak’Olona avy amin’ny hery sy voninahitra lehibe eny amin’ny rahon’ny lanitra izy.
malagasy
Ary amin'izany andro izany dia hiseho eo amin'ny lanitra ny famantarana ny Zanak'olona, ka dia hitomany ny firenena rehetra ambonin'ny tany, ary hahita ny Zanak'olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe eo amin'ny rahon'ny lanitra izy.