Matthew 24:31 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary haniraka ny anjeliny Izy, miaraka amin’ny feon’ny trompetra mafy, ary izy ireo dia hanangona ny olom-boafidiny avy amin’ny vazan-tany efatra, hatramin’ny faravodilanitra rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Haneno mafy ny trômpetra, dia haniraka ny Anjeliny izy, ary ireo hanangona ny olom-pinidiny avy amin’ny vazantany efatra, hatramin’ny fara vodilanitra rehetra.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hisy trompetra haneno mafy; ary hirahin’ny Zanak’olona ireo anjeliny, ka ireo no hanangona ny olom-boafidiny avy any amin’ny vazan-tany efatra, manomboka amin’ny faravodilanitra ankilany ka miafara amin’ny faravodilanitra andaniny.
Malagasy Bible 1865
Ary amin'ny ampanenoana mafy ny trompetra dia haniraka ny anjeliny Izy, ary hangonin'ireo ny olom-boafidy avy amin'ny vazan-tany efatra hatramin'ny faravodilanitra rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary haniraka ny anjeliny Izy, miaraka amin’ny feon’ny trompetra mafy, ary izy ireo dia hanangona ny olom-boafidiny avy amin’ny vazan-tany efatra, hatramin’ny faravodilanitra rehetra.
malagasy
Ary amin'ny ampanenoana mafy ny trompetra dia haniraka ny anjeliny Izy, ary hangonin'ireo ny olom-boafidy avy amin'ny vazan-tany efatra hatramin'ny faravodilanitra rehetra.[Gr. rivotra]