Matthew 24:43 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nefa aoka ho fantatrareo izao: Raha fantatry ny tompon-trano ny fotoam-piambenana amin’ny alina izay hahatongavan’ny mpangalatra dia ho niambina izy ka tsy namela ny tranony hovakina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hevero tsara fa raha fantatry ny tompon-trano izay ora hiavian’ny mpangalatra, dia hiambina izy fa tsy havelany hotamìna ny tranony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao no ataovy ao an-tsaina: raha fantatry ny tompon-trano ny vanim-potoana hiavian’ny mpangalatra amin’ny alina, dia ho niambina izy ary tsy ho namela ny tranony hotamîna.
Malagasy Bible 1865
Nefa aoka ho fantatrareo izao: Raha fantatry ny tompon-trano ny fiambenana amin'ny alina izay hihavian'ny mpangalatra, dia ho niambina izy ka tsy namela ny tranony hotamina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nefa aoka ho fantatrareo izao: Raha fantatry ny tompon-trano ny fotoam-piambenana amin’ny alina izay hahatongavan’ny mpangalatra dia ho niambina izy ka tsy namela ny tranony hovakina.
malagasy
Nefa aoka ho fantatrareo izao: Raha fantatry ny tompon-trano ny fiambenana amin'ny alina izay hihavian'ny mpangalatra, dia ho niambina izy ka tsy namela ny tranony hotamina.