Matthew 25:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nefa raha mbola lasa nividy izy ireo dia tonga ny mpampakatra, ary izay efa vonona dia niara-niditra taminy tao amin’ny fampakaram-bady dia narindrina ny varavarana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary raha mbola nandeha nividy izy, dia tonga ny mpampakatra, ka izay efa niomana no niara-niditra taminy tao amin’ny fampakaram-bady, dia nohidiana ny varavarana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha mbola nandeha nividy solika ireo adala, dia tonga ny mpampakatra; ka ireo tovovavy dimy efa vonona no niara-niditra tamin’ny mpampakatra tao amin’ny fanasambe fampakaram-bady ary nohidiana ny varavarana.
Malagasy Bible 1865
Fa raha mbola lasa nividy izy, dia tonga ny mpampakatra, ary izay efa niomana dia niara-niditra taminy tao amin'ny fampakaram-bady, ary dia narindrina ny varavarana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nefa raha mbola lasa nividy izy ireo dia tonga ny mpampakatra, ary izay efa vonona dia niara-niditra taminy tao amin’ny fampakaram-bady dia narindrina ny varavarana.
malagasy
Fa raha mbola lasa nividy izy, dia tonga ny mpampakatra, ary izay efa niomana dia niara-niditra taminy tao amin'ny fampakaram-bady, ary dia narindrina ny varavarana.