Matthew 25:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony nanatona ilay nandray ny talenta dimy dia nitondra talenta dimy hafa koa ka niteny hoe: Tompoko, talenta dimy no natolotrao ahy; indro, nahazo tombony talenta dimy hafa aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nanatona ilay nandray talenta dimy, nitondra talenta dimy hafa koa ka nanao hoe: ‹Talenta dimy, tompoko, no napetrakao tamiko, ary indreto nahazo tombom-barotra talenta dimy koa aho›.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nanatona ilay nandray denàry 30 000 ka nanolotra denàry 30 000 hafa koa sady nilaza hoe: «Denàry 30 000, tompoko, no napetrakao tamiko; indro fa nahazo denàry 30 000 hafa tombony aho.»
Malagasy Bible 1865
Ary nony nanatona ilay nandray ny talenta dimy, dia nitondra talenta dimy koa izy ka nanao hoe: Tompoko, talenta dimy no natolotrao ahy; indro, nahazo tombony talenta dimy koa aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony nanatona ilay nandray ny talenta dimy dia nitondra talenta dimy hafa koa ka niteny hoe: Tompoko, talenta dimy no natolotrao ahy; indro, nahazo tombony talenta dimy hafa aho.
malagasy
Ary nony nanatona ilay nandray ny talenta dimy, dia nitondra talenta dimy koa izy ka nanao hoe: Tompoko, talenta dimy no natolotrao ahy; indro, nahazo tombony talenta dimy koa aho.