Matthew 25:34 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Amin’izay ny Mpanjaka dia hilaza amin’izay eo amin’ny ankavanany hoe: Avia ianareo izay notahin’ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voaomana ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’izay ny Mpanjaka dia hilaza amin’izay eo ankavanany hoe: Avia ianareo, ry nohasoavin’ny Raiko, handova ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nahariana izao tontolo izao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary dia izao no holazain’ny Mpanjaka amin’izay eo ankavanany: «Avia ianareo nombàn’ny Raiko fitahiana; raiso ho lova ny Fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nahariana an’izao tontolo izao.
Malagasy Bible 1865
Ary amin'izany ny Mpanjaka dia hilaza amin'izay eo amin'ny ankavanany hoe: Avia ianareo izay notahin'ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Amin’izay ny Mpanjaka dia hilaza amin’izay eo amin’ny ankavanany hoe: Avia ianareo izay notahin’ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voaomana ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao;
malagasy
Ary amin'izany ny Mpanjaka dia hilaza amin'izay eo amin'ny ankavanany hoe: Avia ianareo izay notahin'ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao;