Matthew 26:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny voalohany amin’ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira dia nankeo amin’i Jesosy ny mpianatra ka niteny hoe: Aiza no tianao handehananay hanomanana ny sakafon’ny Paska ho anao?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary tamin’ny andro voalohany fihinanana ny azima, dia nanatona an’i Jesoa ny mpianany ka nanao hoe: «Aiza no tianao hamboaranay hihinananao ny Paka?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny andro voalohany natao hihinanana ny azima, dia nanatona an’i Jesoa ny mpianany hanontany Azy hoe: –Aiza no tianao hanomananay ho anao ny sakafo Paska?
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'ny voalohan'ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira dia nankeo amin'i Jesosy ny mpianatra ka nanao hoe: Aiza no tianao hamboarinay hihinananao ny Paska?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny voalohany amin’ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira dia nankeo amin’i Jesosy ny mpianatra ka niteny hoe: Aiza no tianao handehananay hanomanana ny sakafon’ny Paska ho anao?
malagasy
Ary tamin'ny voalohan'ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira dia nankeo amin'i Jesosy ny mpianatra ka nanao hoe: Aiza no tianao hamboarinay hihinananao ny Paska?