Matthew 26:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy Izy: Mankanesa any an-tanàna ho any amin’ny lehilahy iray ka lazao aminy hoe: Hoy ny Mpampianatra: Efa akaiky ny fotoanandroko; koa ato aminao Aho sy ny mpianatro no hitandrina ny Paska.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy i Jesoa taminy: «Mankanesa any an-tanàna ao amin-dRanona ka lazao aminy hoe: ‹Hoy ny Mpampianatra: Efa akaiky ny fotoan’androko, ka hanao ny Paka ato aminao Aho sy ny mpianatro.› »
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia novalian’i Jesoa hoe: –Mandehana mankany an-tanàna ao amin-dranona ka lazao aminy hoe: «Izao no tenin’ny Mpampianatra: Efa tonga ny fotoanandroko; ka ato aminao no hanaovako ny sakafo Paska miaraka amin’ny mpianatro.»
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Izy: Mankanesa any an-tanàna ho any amin-dralehilahy, ka lazao aminy hoe: Hoy ny Mpampianatra: Efa akaiky ny fotoako; koa ato aminao Aho sy ny mpianatro no hitandrina ny Paska.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy Izy: Mankanesa any an-tanàna ho any amin’ny lehilahy iray ka lazao aminy hoe: Hoy ny Mpampianatra: Efa akaiky ny fotoanandroko; koa ato aminao Aho sy ny mpianatro no hitandrina ny Paska.
malagasy
Ary hoy Izy: Mankanesa any an-tanàna ho any amin-dralehilahy, ka lazao aminy hoe: Hoy ny Mpampianatra: Efa akaiky ny fotoako; koa ato aminao Aho sy ny mpianatro no hitandrina ny Paska.