Matthew 26:45 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Niverina teo amin’ny mpianatra indray Izy avy eo sady niteny hoe: Matoria ary ianareo ankehitriny ka mialà sasatra, indro, efa akaiky ny ora, ary ny Zanak’Olona dia hatolotra eo an-tanan’ny mpanota.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izay vao nankeo amin’ny mpianany Izy ka nanao taminy hoe: «Matoria amin’izao ianareo, ary mialà sasatra, indro fa efa antomotra ny fotoana, ary efa hatolotra eo an-tanan’ny mpanota ny Zanak’olona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary niverina Izy nankeo amin’ny mpianany telo lahy, ka nanao taminy hoe: –Mbola matory sy miala sasatra ihany ve ianareo? Indro efa akaiky ny fotoanandro, ary efa hatolotra eo am-pelatanan’ny mpanota ny Zanak’olona!
Malagasy Bible 1865
Dia nankeo amin'ny mpianatra Izy ka nanao taminy hoe: Matoria ary ankehitriny, ka mialà sasatra ianareo; indro, efa akaiky ny ora, ary ny Zanak'olona hatolotra eo an-tànan'ny mpanota.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Niverina teo amin’ny mpianatra indray Izy avy eo sady niteny hoe: Matoria ary ianareo ankehitriny ka mialà sasatra, indro, efa akaiky ny ora, ary ny Zanak’Olona* dia hatolotra eo an-tanan’ny mpanota.
malagasy
Dia nankeo amin'ny mpianatra Izy ka nanao taminy hoe: Matoria ary ankehitriny, ka mialà sasatra ianareo; indro, efa akaiky ny ora, ary ny Zanak'olona hatolotra eo an-tànan'ny mpanota.[Na: Mbola matory ihany va ianareo ka miala sasatra?]